Podcasts

Soa i Madagasikara

Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.

Soa i Madagasikara
Soa i Madagasikara
Tous nos podcasts en un seul flux
Akon'i Gasikara - Marina daholo ny lazainao Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Akon'i Gasikara - Marina daholo ny lazainao Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

2025-09-24 1:39 min MP3 • 1 MB
Fony tao amin’ny fanoherana, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY nahay niteny sy nitsikera mafy ny fitondrana. Fa nony tafiditra tao amin’ny fahefana, toa hadino vetivety ireo teny sy foto-kevitra niarovany taloha.
Ao anatin’ity fizarana ity dia averina jerena ny lahateny nataon’i Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY fony izy mbola tao amin’ny fanoherana. Tamin’izany fotoana izany dia mazava sy hentitra ny teniny, niaro ny zon’ny olom-pirenena haneho hevitra sy haneho tsy fahafaham-po amin’ny alalan’ny hetsika sy fanehoan-kevitra an-dalambe. Nambarany fa zo fototra ao anatin’ny demokrasia ny fanehoan-kevitra sy ny fanoherana am-pilaminana. Zo tsy tokony ho voafetra na hohajambaina arakaraka izay eo amin’ny fitondrana. Kanefa rehefa tonga teo amin’ny fahefana kosa izy sy ny antoko niarahany, dia maro no nahatsikaritra fa nihena sy voafetra ireo zo sivily sy politika. Nisy ny fandraràna hetsika, nisy ny faneriterena, ary nisy koa ny feo notampenam-bava. Mampametra-panontaniana izany: moa ve ny zo haneho hevitra miankina amin’ny toerana misy antsika? Zo ho an’ny mpanohitra ihany ve sa zo ho an’ny olom-pirenena rehetra, na iza na iza eo amin’ny fitondrana? Ity podcast ity dia manasa antsika handinika lalina ny fifanoherana eo amin’ny teny sy ny asa, ary ny lanjan’ny fahamatorana ara-politika ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona sy ny demokrasia.
Informations techniques : 128 kbps • 44100 Hz

Partager

Partagez cet épisode sur vos réseaux sociaux