Podcasts

Soa i Madagasikara

Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.

Soa i Madagasikara
Soa i Madagasikara
Tous nos podcasts en un seul flux
Akon'i gasikara - Antson’ny Ray aman-dReny avy any Sambava ho an’ny Tanora : Aza Manaiky ny Tsy Rariny

Akon'i gasikara - Antson’ny Ray aman-dReny avy any Sambava ho an’ny Tanora : Aza Manaiky ny Tsy Rariny

2025-10-05 1:45 min MP3 • 1 MB
Nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ, Ray aman-dReny iray avy any Sambava no miantso ny tanora mba tsy hiandany amin’ny fitondrana intsony, manoloana ny herisetra sy ny ain-jaza very nandritra ny famoretana.
Ao anatin’ity fizarana ity dia heno ny antso mafy nataon’ny Ray aman-dReny iray avy any Sambava nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ eto Madagasikara. Tsy nanafina hevitra izy, ary tsy nihodinkodina tamin’ny teniny. Manoloana ny famoretana sy ny herisetra nitranga, ary indrindra ny fahaverezan’aina nahazo tanora mpianatra, dia niantso mivantana ireo zanaka sy tanora rehetra ao amin’ny faritra SAVA izy mba tsy hiandany amin’ny fitondrana intsony.
Informations techniques : 128 kbps • 44100 Hz

Partager

Partagez cet épisode sur vos réseaux sociaux