Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.
2024-06-26
Ny repoblika voalohany dia ny « Repoblika Malagasy » izay nanana ny teny filamatra : Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana, nanomboka tamin' ny 14 Ôktôbra 1958 ka hatramin’ ny 30 Desambra 1975.
Plus Télécharger
2024-06-02
Resaka momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka tapany fahatelo araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana manomboka eo amin’ny andininy faha-68 hoe : Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera.
Plus Télécharger
2024-06-02
Efa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra.
Plus Télécharger
2024-05-26
Noho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Mazava fa olona hampandany ny lalàna hampiharina eto amin’ny firenena no ilaintsika.
Plus Télécharger
2024-05-09
Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana ?
Plus Télécharger
2024-05-04
Aiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY (Loharano : KoloTV)
Plus Télécharger